1 TESALONIANA 1.1-10

Ny olona mandray ny Filazantsara

1-Tonga fianarana ho an’ny hafa

« ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo » (and7). Ireto mpino tany Tesalonika ireto dia voalaza fa nandray tsara ny Filazantsara tamin’ny fahoriana be ,tamin’ny hery sy fifaliana avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa ,sady niasa tamin’ny teny izay notorin’i Paoly ny herin’Andriamanitra no niasa tamin’ny mpihaino ihany koa .Tonga modely nalain’ny fiangonana hafa tahaka azy ireo . Rehefa raisin’ny olona amin’ny finoana araka ny herin’ny Fanahy Masina ny Filazantsara dia tonga fianarana ho an’ny hafa izy , satria marina ny fijoroana ho vavolombelon’ny Filazantsara .Raiso amin’ny finoana ny Filazantsara araka ny herin’ny Fanahy dia ho tonga fianarana ho an’ny hafa ianao .

2-Miala amin’ny sampy

« ...nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina » ( and9)

Rehefa nandray ny Filazantsara ireo kristiana tany Tesalonika dia niely eran’i Makedonia sy Akaia ary tany amin’ny tany rehetra ny lazany .Niala tamin’ny fanompoan-tsampy ny mpino tany Tesalonika , ary ireo izay nandre izany no nampilaza izany vaovao izany tany amin’i Paoly fa efa niverina tamin’Andriamanitra izy ireo .Famantarana fa efa nandray ny Filazantsara tamin’ny finoana ny fialan’ny olona amin’ny fanompoan-tsampy .Rehefa nandray ny Filazantsara amin’ny finoana marina ny olona dia miala amin’ny fanompoantsampy .Raiso amin’ny finoana ny Filazantsara ka mialà amin’ny fanompoantsampy .

Fanontaniana:

Inona no toetranao azon’ny hafa tahafina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM