IKorintiana 1. 26 – 31
Ny olom-boantsoan’Andriamanitra
- Mahatsiaro ho malemy hatrany
« fa ny adala amin’izao lontolo izao no nofidin’Andriamanilra hampahamenatra ny hendry …» (and. 27. 28) Tamin’izany fotoana izany, niely ny fivavahana gnostisima izos. nanome lanja ny fahalalana. Ny fahalalana nananan’izy ireo anefa tsy nitarika ho amin’ny fitiavana fa tamin’ny fireharehana. Ary nihevitra ny tenany ho ambony noho ny namany. lzany no nahatonga an’Andriamanitra nampody ny fahalalana ananany ho fahadalana. Mila manaiky ho malemy, tsinotsinona, iva razana, fanevateva manoloana ny fahalehibiazan’Andriamanitra mba hanandratany antsika. Amin’ny fotoana izay iheveran’ny olona ho lehibe ka manadino fahalehibiazan’Andriamanitra dia hietry izy izay. Manetre tena eo anatrehan’i Jesoa Kristy mba hanandratany anao.
- Vonjena ao amin’i Jesoa Kristy Fanontaniana
«Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena … » (and. 30) . Tamin’ny fomba fisainana Jiosy, ny fahendrena dia naka endrika olona, ny fahamarinana dia naką endrika olona, ny Filazantsara dia naka endrika olona, dia Jesoa Kristy izany. Ny Ray no naniraka, Jesoa no nitondra, ny Fanahy Masina no nanetsika ny Filazantsara. Tsy mahazo mirehareha amin’ny tenany ny olona fa tokony hatoky ny asan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay namonjena antsika. Koa aza mirehareha amin’izay mety ho fahalalana anananao eo anatrehan’Andriamanitra fa raiso ny famonjena atolotra anao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary raha te -hirehareha dia aoka ny fanavotana nataon’i Kristy no ireharehan’ny kristiana.
Fanontaniana :
Inona no tena ireharehanao eo amin ‘ny fiainanao? Ahoana ny fiheveranao ny manodidina anao amin’izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Alarobia, faha 19 Jolay 2023 2Timoty 2. 8-13 Ny olom-boafidin’Andriamanitra 1- Miaritra fahoriana ho famonjena ny hafa «Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boufidy, mba hahazoan’ireny koa famonjena… » (and.10) Niaritra fahoriana, fatorana, nampidirina tao an-tranomaizina i Paoly Apostoly noho ny amin’ny filazantsara mba hamonjena ny olom- boafidy. Ny olom-boafidy tiana hambara amin’izany dia ireo izay mandre ny filazantsara ka mino. Noho izany, aza gaga raha nanolo-tena ho olom-boafidin Andriamanitra ianao ka miaritra fahoriana noho ny amin’ny filazantsara; satria misy olona nofidin’Andriamanitra tiany hovonjena, amin’ny alalanao any ho any. Ny fandrenesan’ireny olona ireny ny anaran’i Jesoa Kristy no mahatonga azy hino an’i Jesoa Kristy. Ho anao olom-boafidin’Andriamanitra, mivonona hiaritra fahoriana noho ny filazantsara. 2- Manantena hiara-belona amin’i Kristy << Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara- belona aminy koa; » (and. 11) Rehefa manaiky hiaritra fahoriana noho ny amin’ny filazantsara ny olom-boa fidin’ Andriamanitra, dia mahazo antoka fa miombona amin’i Jesoa Kristy. Ary tsy fiombonana amin’ny finoana ihany izany fa manantena hanatri-maso an’i Jesoa Kristy rahatrizay. Araka izany, tsy very maina ny fiare tan’ny olom-bofidin’ Andriamanitra noho ny amin’ny filazantsara; fa misy valiny lehibe, dia ny fiarahana manjaka amin’i Jesoa Kristy. Koa aza kivy na ketraka raha miaritra fahoriana noho ny amin’ny filazants ara, aza mihemotra fa mahareta hatramin’ny farany satria efa nanomana valim-pitia lehibe ho anao, dia ny fiainana mandrakizay. Ny fanantenana kristiana dia mitoetra amin’ny teny fampanantenana tsy miova nataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Fanontaniana: Hatraiza ny fiarelanao fahoriana noho ny filazantsara? 81
Entrer
Écrire à Manassé Hary Rabelison