ROMANA 3.9-20

Ny fanamarinan’Andriamanitra

1- Dia tsy avy amin’ny firazanana(and9)

« Ahoana àry? Manan-kavaly va isika? Tsia, tsy akory fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny Jentilisa » . Nanana fiheverana ireo Jiosy fa tsy mba mpanota fa ny Jentilisa no tena izy amin’izany . Izy ireo moa dia manana fomba filaza ny olona sasany toy ny mpamory hetra sy ny mpijangajanga sy ny sisa hoe: mpanota mihitsy.Tsy fantany fa efa mitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan’ny fangejan’ny ota fa tsy mifidy izany hoe: « Jiosy » na Jentilisa » izany . Izay tsy miambina dia voagejany , ary ny mpanamari-tena mihitsy aza no mampatahotra sao tsy ho voavonjy .Hoy Jesoa hoe : « Tsy ho avy hiantso ny marina aho fa ny mpanota mba hibebaka » (Lio5.32)

2-Dia tsy avy amin’ny fanamarinan’ny lalàna

« satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany » (and20). Ny lalàna eto dia ny fitandremana ara-bakiteny be izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy ka notandreman’ireo Jiosy tamin’ny fomba mivaona. Ny fototry ny lalàna dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Efa tsy niseho tamin’ny endrika tsy fitiavana intsony anefa ny fitandreman’izy ireo ny lalàna , satria nanjary nangeja sy nampijaly olona indray izany , hany ka tsy nipetraka intsony ny fototra iorenan’ny lalàna dia ny fitiavana.Noho izany , izay olona manam-pitiavana an’Andriamanitra , ka mitandrina sy mankato ny didiny izay tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy no hamarinina ka voavonjy , fa tsy izay mitandrina ny lalàna intsony .

Fanontaniana :

Efa nisy fotoana ve ianao nanana fitsara ny namanao , satria tsy nitandrina ny lalàna izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM