1 KORINTIANA 12.1-11

Ny fanomezan’ny Fanahy Masina

Fanhy iray ihany no miasa amin’ny mpno rehetra ao amin’ny fiangonana ,ary asan’izany Fanhy izany no :

1-Mitarika ny mpino hanaiky fa Jesoa ny Tompo (and3)

Anisan’ny mampiavaka ny fivavahana kristiana amin’ny fivavahana hafa rehetra ny fanekena an’i Jesoa ho Tompo .Mahatsiaro an’i Jesoa Kristy ho Tompo ny fiangonana rehefa mandray ny Tenin’Andriamanitra ho filamatry ny fitondrantenanany eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina . Asan’ny Fanahy Masina no mahatonga ny olona iray hanaiky an’i Jesoa ho Tompo eo amin’ny fiainany .Ny olona manaiky azy ho Tompo dia mamela Azy hanjaka amin’ny sainy sy ny heviny ary ny fony manontolo , ary hita taratra izany eo amin’ny fifandraisany amin’ny mpiara-manompo . Izay rehetra manaiky an’i Jesoa ho Tompony dia manjary manetry tena , fa izay rehetra te-hanjakazaka amin’ny fiangonana kosa ka nanao tsinotsinona ny namany dia mampiseho fa mbola tsy manaiky an’i Jesoa ho Tompon’ny tenany izy ( jereo 1 Kor 12.12 …)

2-Fanomezana ho an’ny olona tsirairay (and 4-11)

Ny fitanisana ireo fanomezam-pahasoavana sy fanompoana ary asa samihafa dia mampiseho fa tsy misy diso anjara eo anatrehan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana. Na dia voazarazara ho samy hafa aza anefa ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia tsy natao hampisaratsaraka akory , fa natao indrindra mba ho fanasoavana ny daholobe (and7) .Tahaka ny fifandraisan’ny Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy masina dia toy izany koa ny firaisan’ny mpino ao amin’i Kristy ,fa samy momba ny tena avokoa izy rehetra (and12)

Fanontaniana :

Inona no heverinao fa fanomezan’ny Fanahy Masina ho anao manokana mba hanasoavana ny hafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM