Zefania 3. 6-8
Manomana antsika handray azy ny Tompo
Taorian ‘ny fanamelohana ireo firenana hafa dia nitodihan’i Zefania ihany koa ny fahotan ‘ i Jerosalema sy ny olon’Andriamanitra. Ary mahitsy ny fomba ntiny mampita ny hafatr’Andriamanitra ho an’ ny mponina tao Jerosalema:
1- Mampatsiahy ny fahefany sy ny fahalehibiazany (and.6)
Tonga olona mpanohitra an’ Andriamanitra ny vahoakany ka nahitana ireo endri-paharatsiana samihafa. Nahatezitra an’Andriamanitra izany ka nambarany sy nampatsiahiviny ny fahefana ananany hamaliany ny ratsy ataon’ny olona. Marina tokoa ny voalaza hoe : « Aza mety hofitahina ianareo ,Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin ‘ny olona no hojinjany » (Gal 6.7). Andeha isika hanova famindra ka hiala amin’ny ratsy mba tsy hihatra amintsika ny fahatezeran’Andriamanitra .Raha mandray izao antso izao dia manapaha hevitra sao sanatria ho marina amintsika ny tenin’ny olon-kendry hoe : » lzay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka ,dia ho torotoro lampoka, ka tsy hisy fahasitranana. »(Ohabolana 29:1) Amin’izay isika vao ho tonga saina! Araraoty ny fotoana fa mandalo!
2- Maniry ny fibebahantsika Izy (and.7)
Ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny famaizana ataony amin’ny vahoakany eto dia ny hitodihan’ izy ireo Aminy ka ho tonga ao amin’ireo ny fahatahorana Azy. Raha misy kapoka mahazo antsika dia tsara raha mandini-tena aloha isika , araka ny voalazan’i Joba hoe : »Indro, sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan ‘ny Tsitoha » (Joba 5.17). Fantaro fa fitiavana no hamaizan’ny Tompo fa hoy i Jesoa hoe: « lzay rehetra tiako no anariko sy faizako. Koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. »( Apokalypsy 3:19 )
Fanontaniana:
Toe-po manao ahoana no hiandrasantsika ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM