2 PETERA 3.1-13

Ny indrafon’Andriamanitra

1- No araraotin’ny sasany hampandaingana Azy

« …izay mpaniratsira …ka manao hoe ; aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? maharitra tsy miova ny zavatra rehetra... » (and04) . Heverin’ireo mpanratsira ho mandanga Andriamanitra raha tsy mbola tanteraka ankehitriny ny zavatra izay nampilazainy . Ataony ho resabe fotsiny , rediredin’adala. Tsy fantany anefa fa indrafon’Andriamanitra no mahatonga izany . Tsy mitovy rahateo ny fotoanan’Andriamanitra sy ny olona . Ny minitra Aminy dia toy ny arivo taona amintsika olombelona . Hoy ny Soratra Masina hoe : « Sambatra izay tsy nahita , nefa nino » Jao 20.29

2- Dia mitaona antsika mba hibebaka (and09)

« ... fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra » .Marina Andriamanitra ka mamaly izay ataon’ny olona , saingy hita eo amin’ny ataony ihany ny maha-Andriamanitra be indrafo Azy . Mikendry ny olona mba hibebaka izy fa tsy faly ny hikapoka fotsiny .Tsy fanararaotra ny indrafony fa mitaky fibebahana sy asa tsara eo amin’ny fiainatsika . Aza mba manao toy ireny olona mpaniratsira ireny fa aoka mba samy hanatanteraka izany .

Fanontaniana:

Mba manao ahoana isika rehefa tonga izany fotoana izany , fa vonona ve?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM