HEBREO 10.35-39
Mirosoa amin’ny lalina …ary
1-Manàna fahasahiana
« Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe » (and35) .Isan’ny fahasahiana ambara eto ny fahasahiana miteny , fialana amin’ny fisalasalana sy ny fanahiana fa mitafy fahavononana.Mitaky fahasahiana ny fijoroana amin’ny finoana .Ireo maritiora dia sahy nijoro tamin’ny finoany na dia haningotra ny ainy aza .
2-Manàna faharetana
« Fa tokony hanana faharetana ianareo » (and36) .Tsy ampy ny hetsika ao anatin’ny fotoana voafetra fa tsy maintsy tohizana hatrany .Ao anatin’ny faharetana no hahatakarana tsara sy mampahazavan ireo teny fampanantenana izay nomen’ny Tompontsika .Mila manana lazonady isika .
3- Hajao hatrany ny sitrapon’Andriamanitra
« Rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra ... » (and36b).Tsy izay rehetra sahy sy miaritra akory dia azaina hoe: « mijoro amin’ny finoana » .Zava-poana ihany izany raha ivelan’ny fanajana ny sitrpon’Andriamanitra.
3-Aoka hiaina amin’ny finoana
« Ary ny oloko dia ho velon’ny finoana » (and38a). Toy ny trondro izay tsy afaka hiaina tsara raha tsy eo ny rano,toy ny tsy ahafahan’ny olona miaina raha tsy misy rivotra dia toy izany koany mpino kristiana ,tsy afaka miaina amin’ny maha-mpino azy raha tsy eo ny finoana an’i Jesoa velona .
5-Aza matahotra
« fa raha mihemotra izy du=iatsy sitraky ny fanahiko » (and38b) .Tsy naman’izay mihemotra isika.Tsy maintsy miroso hatrany manatanterakaaaaaa ny hazakazaka masina.
Fanontaniana:
Inona no mampiavaka ny olona mijoro amin’ny finoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM