Sal 33, 1-5 / Hira 36, 1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462: 1
Nomery 24, 1-14
1-Manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra (and 1)
Balaka dia nikendry mandrakariva ny hanozonana ny Zanak’Israely. Nasainy hanao izany i Balama fa tsy nanaiky intsony. Tonga tao aminy ny Fanahin’Andriamanitra ka hitany fa mitahy sy miaro ny Zanak’israely Andriamanitra, Fantany fa tsy azo baikona amin’ny alalan’ireo fombafomba sy sikidy Andriamanitra, ka dia nanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra izy.
2-lasan’ny Fanahin’ Andriamanitra (and 2-9)
Rehefa nahita ny Israely nitoby araka ny fireneny avy i Balama, dia tonga taminy ny Fanahin’Andriamanitra, ka nilazany ny oha-teny eo amin’ny and.3-9. Nahita ny fahitana avy tamin’ny Tompo izy, dia nilaza ny fahalehibeazan’ny Israely sy ny heriny. Ny Fanahy no nitarika azy hanao izany, mba hanehoana ny tena sitrapon’Andriamanitra amin’i Balaka. Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia iasan’ny Fanahiny ka mahita ny zava-mahagaga izay efa tian’ny Tompo haseho.
3-Mijoro amin’ny fahamarinana (and 12-14)
Vokatry ny faminaniana nataon’i Balama dia tezitra i Balaka. Nasainy nandositra ho any amin’ny fonenany i Balama. Hita anefa ny fahasahiana nananan’i Balama: nambarany fa tsy azo atao ny manohitra ny didin’i Jehovah, na dia homena volafotsy sy volamena aza. Nijoro tamin’ny fahamarinana i Balama, ary fianarana ho an’ny rehetra izany. Notohizany tamin’ny nilazany ny ataon’Israely amin’ny Moabita koa aza izany. Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia mijoro amin’ny fahamarinana, na iza na iza manoloana azy. Sahia mijoro amin’ny ny fahamarinana ao amin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Ahoana ireo fomba hahafahanao maneho ny maha-mpanompo matahotra an’ Andriamanitra anao eo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires