1 Tesaloniana 2.13-20

Ho avy ny Tompo

Efa nomanina ho amin’izany isika .Voalazan’i Paoly eto fa nisy ny fampianarana sy fitaizana nataony ho an’ireto olona tany Tesalonika ireto. Nahafaly azy izany satria tsy noraisin’ ireo tahaka ny tenin’olona ny Tenin’Andriamanitra izay notorina tamin’izy ireo (and. 13). Isika indraindray dia mijery ny mpitoriteny fa tsy mandray izay teny atolony, hany ka takona amintsika ny Filazantsara. Mitondra antsika eo anatrehan’ny Tompo ny fandraisantsika ny Teniny marina tokoa. Tonga reharehan ‘ny mpitoriteny ny fanarahantsika ny Teny izay mitondra antsika amin’ny famonjena. Efa manana fifaliana ve ianao ? Fifalian’i Paoly ny mahita ny olona eo anatrehan’ny Tompo raha ho avy izay hijoroantsika rehetra eo anatrehan’ny Tompo amin’ ny andro farany. Ary isika izay mamaky ity mofonaina anio ity? Mba afaka hiteny ve isika hoe: indreto manaraka ato aoriako ireto ry Jesoa ny olona voatariko ho Anao. Mba inona no efa vitantsika manoloana ny Filazantsara. efa noraisintsika? Mba efa nanova tantaran’olona maro tamin’ny alalan’ny fitoriana Filazantsara ve isika? Mba nofinofintsika ve ny hilazan’ny Tompo amintsika hoe: «Tsara izany. ry mpanonpo isara sady mahatoky. midira amin’ny ffalian’ny Tomponao» (Mat 25.23)

Fanotaniana :

Inona no ambaranao ny amin ‘ny fanantenanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM