JEREMIA 31.31-34

Finiavan’Andriamanitra ny mametraka ny teniny

ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona (and33b)

« dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony «  . Jehovah Andriamanitra eto no manao ny asa ary ny asa ataony dia ny mametraka ny lalàny ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olony dia ny Israely nofidiny izany .Ny zava-nisy teo aloha mantsy dia izao : nifanao fanekena Jehovah Andriamanitra sy ny vahoaka taranak’i Abrahama fa Izy ho Andriamaniny ary ny vahoaka kosa ho olony .Ny zava-nisy anefa dia nanaiky izy ireo raha manao fanekena eo imaso fa rehefa tonga ny hanatanterahany izany amin’ny fiainana andavanandro dia mivadika izy ireo , satria tsy mahazaka fiainana .Tiany tsy hisy olana sy ho tanteraka avokoa ny fiainany ara-nofo izay miantoka ny fahavelomany dia adinony ilay fanekena .

Mety hitsara be fahatany ireo vahoaka ireo angamba isika , saingy aoka ho fantantsika fa raha manao ho zava-dehibe ny zavatry ny nofo isika dia efa mitovy amin’izy ireo ihany . Soa fa teo ilay fanekena vaovao tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy nandatsaka ny Rany , ka Izy Andriamanitra mihitsy no manao ny lalàna sy ny didiny ho ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona . Hoy ny teny ao amin’ny Ezekiela 11.19-20 « dia homeko fo iray izy ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo , ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato ,ka omeko fo nofo izy… » .Ny maha-kristiana antsika sy ny maha-Andriamanitra antsika dia asan’Andriamanitra fa tsy asantsika olombelona ka hoe : mety ho safidintsika .

Fanontaniana :

Moa mba efa nosaininao ve fa raha mitandrina ny didiny ianao dia niasa taminao Izy fa tsy ny fiezahanao loatra akory ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM