JAONA 19.6-11

Ny fitsaran’ny tany

Notsarain’i Pilato i Jesoa Kristy

1-Tsy manana fahefana amin’i Jesoa Kristy

« ianao tsy manana fahefana Amiko akory« .Tsy hitan’i Pilato izay mahameloka an’i Jesoa Kristy. Te-handefa Azy saingy tsy sahy manapa-kevitra.Tetsy andaniny ireo tomponandraikitra ara-pivavahana Jiosy dia nikendry ny hamonoana Azy, ka toa manery an’i Pilato amoaka izany didy fanamelohana ho faty izany .Maneho ny saritsarim-pahefana nananany i Pilato ka indro niala nenina nanontany Azy,milaza fa afaka mandray fanapahankevitra ny Aminy (and8-10).Mazava anefa ny tenin’i Jesoa Kristy .Izy no Tompon’ny fanjakana , ny fahefana rehetra ka tsy manana fahefana Aminy iPilato .

2-Manatanteraka ny drafitr’Andriamanitra

« raha tsy nomena anao avy any ambony « .Tompon’ny fahefana rehetr aAndriamanitra.Izy no nanolotra sy manome izany ho an’izay tiany hanatanteraka ny sitrapony .Hamoaka didy ihany iPilato ny aminn’y fanamelohana an’i Jesoa Kristy , ny hanomboana Azy amin’ny hazo fjaliana ,tsy fahefana araka ny maha-mpanjaka azy anefa izany fa Andriamanitra no manolotra izany ho fanatanterahana ny sitrapoy .Avelan’Andriamanitra hotsarain’olombelona mpanota ny zanany , nekeny ny fanamelohena ho faty teo amin’ny hazo fijaliana fa izany no làlan-tokana ho famonjena , ho fanafahana ny olona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana .

Fanontaniana:

Diniho ieo dingana nentina nitsarana an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy sy ny fanjakana Romana .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM