Jaona 6. 60-71


Torohevitra ho antsika avy amin’ny Tenin’ Andriamanitra anio ny hoe : ataovy ho sarobidy ny fanarahana an’i Jesoa ka:
1- Raiso tsara ny fampianarany (and 60)
«Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?» hoy ny npianany rehefa nampianarin’i Jesoa ny amin’ny maha- mofonaina Azy izy ireo mpianany ireo. Azo tarafina amin’izany fa tsy takatry ny sasany
tamin ‘ireo niara-dia tamin’i Jesoa ny fampianarany hany ka nanjary nimonomonona sy niverin-dàlana izy ireo. Ny mahavariana dia izao : azo natao tsara ny nanontany na nangata-panazavana misimisy kokoa
tamin’i Jesoa (efa nataon’ny mpianatra izany, Lio 12. 41; Mat 15. 15) fa ny marina dia ireo niala an-daharana mihitsy no tsy resy lahatra sady tsy tapa-kevitra rahateo ka zara aza nisy azo nialana.
2- Mijoroa amin’ny hevitra mazava (and 68)
«Tompo ô, hankany amin ‘iza moa izahay? lanao no nanana ny tenin ‘ny fiainana mandrakizay», io no valin-tenin’i Petera raha nanontanian’i Jesoa izy roa ambin’ny folo lahy hoe : «ianareo koa va mba te- hiala?». Mazava tsara ary hentitra izany teny izany, izay manamafy amin’i Jesoa fa tsy hiala amin’i Jesoa izy ireo, ary tsy vokatry ny hafanam-po taitaitra fotsiny koa, fa satria voarainy ny fampianarana ary tsara orina ny inoany ka sahiny lazaina tsy mihambahanba fa i Jesoa no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
3-Tandremo tsy hamadika Azy (and 70)
«Tsy lzaho va no nifidy anareo roa ambin ‘ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?». Mavesabesatra ity tenin’i Jesoa entiny manondro ny olona izay manara-dia azy mba hahazo tombontsoa manokana fotsiny tahaka an’i Jodasy Iskariota (Jao 12.6). Isika mitandrema !

Fanontaniana:
Mba ahoana ny fiheverenao sy ny fandraisanao izany hoe : nofidian’i Jesoa ka manaraka Azy izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM