Matio 4,1-11

Azo resena ny fakampanahy

Ireo fakampanahy nahazo an’i Jesoa tany an’efitra dia mety handavo antsika koa. Resin’i Jesoa izany, ary isika koa dia ho mpandresy tahaka Azy. Ireto ny lesona ho antsika anio.

1 Mila mivonona amin’ny ady ara-panahy isika

Vita ny adin’i Jesoa, resiny ny fakampanahy mbamin’ny herin’ilay ratsy rehetra, nandao Azy ny devoly. Anjarantsika izay mpanaradia Azy ankehitriny indray izao ny miatrika ady. Noho izany dia mila mivonona mandrakariva isika amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra. Ny devoly no fahavalo : «Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.» (Efe.6,12). Tsy mifidy sarangan’olona izy fa izay azony dia harapany. «fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany» (1Pet.5,8)

2 Ny Tenin’Andriamanitra no fiadiana hanoherana azy

Tamin’ireo fakampanahy rehetra nolalovan’i Jesoa dia nampiasainy ny Soratra Masina. Ny Tenin’Andriamanitra ampiasaina araka ny tokony ho izy, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no anisan’ny fitaovana tsy maintsy ananan’ny Kristiana hanoherana fakampanahy. Manamafy izany ny Apôstôly Paoly raha nilaza hoe : «Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy» (Efe.6,17). Tsara ho marihina fa nampiasa ny Soratra Masina ny devoly raha naka fanahy an’i Jesoa. Tsy izay rehetra manonona andinin-tSoratra Masina akory dia ho eken-teny avokoa. Ekeo ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fampiasana ny Soratra Masina mba hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra

Fanontaniana

Inona ny fakampanahy mandavo ny olona ankehitriny ? Hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM