JEREMIA 6.1-8
Hovalian’i Jehovah Jerosalema
1-Noho ny haratsiana ao aminy (and 6d,7)

Tsy nankasitrahan’ny vahoaka loatra iJoiakima anefa fa ny Babyloniana avy any avaratra no entin’i Jehovah hamaliana azy ireo noho ny faharatsiany mpanjaka tao Jerosalema ka nanjary nampahory azy ireo mafy tamin’ny alalan’ny asa tsy ara-drariny sy tsy misy fitandroana ny zon’olombelona (Jer 22.13). Ankoatra izany , ara-politika koa,mbola nitoky tamin’ ny herin’Egypta ho mpanampy azy , satria natahotra ny Asyriana mafy fa tsy natoky an’i Jehovah na dia efa nanarin’ireo mpaminany aza . Indrisy anefa , fa ny Babyloniana avy any avaratra no entin’i Jehovah hamaliana azy ireo noho ny faharatsiany tsy mety lany toy ny loharano .Tandremo ny tsy rariny ataontsika eo amin’ny fiainantsika sy ny tsy fatokiana an’Andriamanintsika , fa mbola hamaliany antsika raha tsy ialantsika .
2-Kanefa mbola ialany nenina ihany aloha (and8)
Matoa tsofina ny anjomara dia efa manambana ny loza , kanefa mbola misy ihany ny fialana nenina na dia amin’ny ora farany aza .Mahagaga izany , efa mila hihatra ve ny loza mbola mety hisy azony atao ihany ? Eny, ny valiny, fantany izay ataony fa ny andrasany amin’ny olona fotsiny dia ny fanapahankevitra hentitra hiala amin’ny ratsy ka tsy hamerina intsony .Hoy ny Soratra Masina hoe : « Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy , ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra » 1 Jaona 1.9
Fanontaniana :
Ireo voalaza ireo ny faharatsiana tao Jerosalema tamin’izany ary ny Jerosalemanao misy sa tsy misy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM