(Sal 81,1-6 / Hira 531,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 179.3)
Romana 8.26-30
Tonga ny Fanahy Masina mba hanome fanantenana ho an’ny mpino, hiatrehana ny fiainana amin’ny maha Kristiana (and 24), ary ho fandresena ny fahoriana sy fisentoana.
1. Fanahy Masina mivavaka ho an’ny mpino
Mivavaka ho an’ny mpino ny Fanahy Masina (and 26,34). Hita sy ren’ny Tompo ny fisentoana sy fijalian’ny Kristiana eto amin’izao tontolo izao. Manana ny fahalemeny ny mpino: tsy hay na dia ny vavaka tokony hatao aza fa miraviravy tanana; tsy hay ny fifonana ilain’ny Tompo. «Mifona amin’ny fitarainana tsy hay tononina» ny Fanahy Masina (and 26). Miditra feno amin’ny fiainantsika ny Fanahy Masina; Izy no mahalala ny sitrapon’ny Tompo, ka araka ny sitrapony ny fifonany sy ny fangatahany (and 27).
2. Fanahy Masina mampahery ny mpino
Miasa ho an’ny mpino ny Fanahy Masina. Ny zavatra rehetra miseho amin’ny fiainan’ny mpino tia ny Tompo dia mahasoa (and 28). Tsy tompon’ny teny farany ny fahoriana sy ny fisentoana. Avelan’ny Tompo miseho amin’ny fiainantsika ireny fa tsy natao hampihemotra na hahakivy antsika mpino akory (1Kor 10.13). Ambara fa ny mpino dia tia an’i Jesoa Kristy; voantso sy fantany rahateo; ary notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany (and 28-29). I Jesoa Kristy no Lahimatoantsika ary isika izany dia mpiray tam-po Aminy.
3. Nantsoin’ny Tompo ny mpino
Fahasoavan-dehibe по omen’Andriamanitra antsika Kristiana: notendreny sy nantsoiny ary nohamarininy isika mba hiara-manam-boninahitra amin’i Jesoa Kristy (and 30). Iombonantsika amin’i Jesoa Tompo ny fahoriana, ary isika dia iray tam-po Aminy, sady mpiray lova Aminy, ary miara-manamboninahitra sy mpiara-manjaka Aminy (jereo Rom 8.17). Azo antoka ny hoavintsika mpino, raha maharitra amin’ny fiantsoany isika.
Fanontaniana :
Ahoana no ahatsapanao fa tena miara-mitondra ny fiainanao Kristiana i Jesoa Kristy? Hazavao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires