(Sal 122 / Hira171:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF11)
Marka 11. 15-17
Ny trano fivavahana
1- An’ny Tompo ny fahefana ao.
Voalaza eto fa niditra teo an-kianjan’ny Tempoly i Jesoa. Nitondra fanavaozana Izy. Tsy navelany havadika ho tsenam-barotra ny toerana natokana hivavahana. Mazava ny hafatry ny Tompo: « Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra » (Isa 56,7). Jesoa no Tompo. Manana fahefana Izy mba hanongotra sy hanjera; handrava sy handrodana; ary hanorina sy hamboly (Jer 1, 10). Velona Jesoa ka mandray andraikitra hamerenana amin’ny laoniny ny lamina tokony ho hita eo an-kianjan’ny Tempoly. Tsy ekena ny tabataba sy ny korontana samihafa.
2- Tsy natao ho fieren’ny jiolahy
Tokony ho nanamaivana ireo olona avy lavitra ny fisian’ny varotra manakaiky ny Tempoly. Nivadika fanararaotana anefa izany. Fa na ny fanakalozam-bola, na ny famarotana ireo biby hatao fanatitra dia lasa nataon’ny sasany fitadiavana tombontsoa mihoapampana. Tsy eken’i Jesoa velively ny toy izany. Tsy rariny raha ny trano fivavahana natao hitondra fitsaharana indray no tonga vesatra ho an’ny madiniky ny Tompo. Eto no hampahatsihivana antsika fa ny Tompo dia nanolotra maimaim-poana ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana. « Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » (Asa 20. 35). Tsara kokoa no hitaizana ny olona hanana ny fanahin’ny fahafoizana, toy izay híaina lava amin’ny takalo kanefa ny hafa indray no misitraka ny tombom-barotra fa tsy ny Fiangonana.
Fanontaniana:
Ahoana ny hevitrao momba ny lavantim-bokatra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires