Sal 136.1-15 / Hira 16.1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 701.1,3
Eksodosy 15, 1-18
Ny hiran’ny fahafahana
1. Fiderana (and.1-10)
Midera sy mankalaza ary manandratra an’Andriamanitra noho ny fahalehibeazany i Mosesy sy ny Zanak’Isiraely rehefa nandresy ny tafika Egyptiana. Nasehon’Andriamanitra fa mpiady mahery Izy, ary tsy hay tohaina. Miady ho an’ny olony Izy ka ringana tanteraka ny tafik’i Farao. Rehefa hanafaka Izy dia tsy misy mahasakana Azy satria Tompon’ny hery sy fahefana. Vao tafita ny ranomasina dia nidera Azy ny olona. Ry havana, rehefa tafita amin’ny toe-javatra sarotra dia aza mangataka andro fa avy hatrany día isaory ny Tompo Andriamanitra ilay naneho ny heriny ka nampandresy anao.
2. Fanantenana (And.11-18)
Ao anatin’izao hira izao no ilazana fa tokana Andriamanitra ary tsy misy toa Azy. Raiki-tahotra ny firenena manodidina satria tsy toy ny andriamaniny ny Andriamanitry ny Isiaely. Ao anatin’izany no ahatsiarovan’ny mpihira fa famindrampon’ny Tompo no nitantana ka nanavotra azy ireo. Famindrampo izay midika ho fitiavan’ Andriamanitra mafy orina sy tsy miova. Vokany: manana fanantenana ny amin’ny ho avy izy ireo, ka mino fa hoentin’ Andriamanitra ao amin’ny tanana izay nampanatenaina; tanana iorenan’ny toerana masina, dia ny Tempoly tao Jerosalema izany. Ny fijoroan’ny Tempoly dia manambara ny fanjakana sy ny fiandrianan’ Andriamanitra izay ho mandrakizay. Noho izany. azon’izy ireo antoka ny hoaviny. Izay mino ny Tompo dia manantena fa hanana anjara ao amin’ny fanjakany rahatrizay, ao Jerosalemana vaovao.
Fanontaniana:
Mba mameno ny fiainánao ve ny fiderana an Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires