(Sal125.1-5 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 639.1,2,4)

« Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazóny ny fiainana mandrakizay… » (And. 12)

Baiko no omen’i Paoly Apostoly mba hiadiany ny ady tsara. Ady atao amin’ny fanekena hiaritra ny mafy mba hahazoana manohitra ny faharatsiana, ka hirosoana amin’ny fahatsarana rehetra (and. 11). Baiko tsy maintsy hirosoana amin’ny finoana. Tsy finoana mandalo anefa fa finoana maharitra. Araka izany, ady sarotra sy mitohy ny fialàna ao amin’ny faharatsiana ho amin’ny fitadiavana toe-panahy araka an’Andriamanitra. Tsy efan’ny ezaka ataon’olombelona manokana koa anefa izany, fa mitaky finoana. Amin’ny finoana irery ihany no handresena amin’ny ady atao eto.

«…ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.» (And.12)

Ampahatsiahivin’i Paoly Apostoly eto ny fotoana izay nanaovana batisa an’i Timoty. Ny Fiangonana voalohany dia namerimberina ny fanekem-pinoana hoe « Jesoa no Tompo » na tamin’ny tenany na teo imason’ny vavolombelona. Araka izany, manonona fanekem-pinoana an’i Jesoa ny olona izay mahatsiaro fa voaantso. Ary izany no mahatonga antsika manao ireo karazana fanekena samihafa mba hanehoana ny maha olom-boaantso antsika. Ary amin’izany no ampahatsiahivana anao indray: ataovy tsara, tonony mafy ireny fanekena ireny satria famaliana ny antson’ny Tompo.