LIOKA 22.23-30

 Taomin’i Jesoa ny mpianany

1-Tsy hiady voninahitra (and24)

Hoy i  Jesoa   hoe : « …fa tsy mba toy izany ianareo , fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry , ary izay manapaka dia aoka ho toy ny manompo” .Nofaranan’I Jesoa ny fifandiran’ny mpianatra  dia nohazavainy fa tsy mitovy amin’ny fijerin’izao tontolo izao  ny fomba fijery  tokony ananan’izay   manara-dia an’I Jesoa .Eto  amin’izao tontolo izao   dia hihazakazahana  ny fanondrotan-tena , ny fanambonian-tena ka hampisongadinana ho  lehibe sy ambony ary atao  mihitsy  aza ny fomba rehetra hahazoana izay heverina ho “toeram-boninahitra” izany  .Fa ho an’ny kristiana  kosa, tsy ny halaza na hitady  toeram-boninahitra eto an-tany  akory   ny antom-pisiana fa ny soatoavin’ny fanompoana .

2- Hianatra  fanetrentena Aminy (and27b)

 Manohy  ny teniny I Jesoa  eto hoe : “ …Fa izaho  dia eo aminareo  toy izay manompo “,izany hoe: misarika ny sain’ny mpianatra izay hianatra aminy ,dia Izy izay nanana ny  toerany ambony eto amin’izao tontolo izao fa nanaiky hietry haka ny toeran’ny  mpanompo mba hamonjena izao  tontolo izao .Isika koa taomina  mba ho ao anatintsika  ny fanahin’ny fanompoana sy ny fanetrentena fa mazava ny fampianaran’I Jesoa anie “fa izay manetry tena no asandratra ary izay manetry tena no haetry” (Mat 23.12)

3-Hahazo fa mahalala ny ataony I Jesoa (and29)

Koa Izaho  dia manendry  fanjakana ho anareo …mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro  amin’ny fabjakako…” Tian’I Jesoa ampitaina eto fa mahalala ny tokony  hataony  amin’ny  mpiasany Izy , tsy avelany  ho very maina akory ny faharetana sy ny fiaretana manaraka Azy .Mifalia isika !

Fanontaniana:

Efa ananantsika ve ireo  toe-panahy  hitaoman’I Jesoa ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM