1 JAONA 2.24-29

Tomoera ao amin’ny Tompo

1-Amin’ny alalan’ny fihazonana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny isika vao nino (and24-25)

Eto i Jaona Apostoly dia mahita tokoa ny fahasarotan’ny lalana izoran’ny mpino mandra-pahatonga any amin’ny fiainana mandrakizay . Sarotra ny dia satria satana mamingana sy mamitaka amin-javatra mahasodoka .Noho izany ,ny fihazonana ny Tenin’Andriamanitra ihany no hahatanana ny fiainana mandrakizay .Hoy ny voalaza ao amin’ny Apokalypsy 3.11 « Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao « .Tsy mora ny hihazonana ny fiainana izay efa eo amintsika .Betsaka ireo fahalalana izay omen’ny mpaminany sandoka hanariana dia antsika ,kanefa rehefa mitoetra amin’ny Tenin’Andriamanitra izay efa nampinoana antsika isika dia hahafahatra .

2-Amin’ny fitoerana amin’ilay hosotra masina izay nanosorana antsika (and27)

Ny hosotra masina izay nanosorana dia ny nanomezana antsika ny Fanahy Masina izay nandraisana antsika ho vita batisa , na ho mpandray, na ho mpiandry ,na ho diakona ,na ho mpitandrina .Noho izany,isika no tokony hampianatra izay mpaminany sandoka mitady hamery ny diantsika .Rehefa manaiky tarihan’ny Fanahy Masina io isika dia tsy hanota mihitsy ,ary ho voatazona amin’ny toerana izay misy antsika ka mitombo amin’ny fahasoavana tokoa, kristiana mitombo ara-dalàna, izany hoe: mifanaraka tsara ny taona naha-kristiana antsika sy ny fitomboana ara-panahintsika mba tsy ho olona sampona ara-panahy ka ny taona naha-kristiana efa maro nefa ny vatana ara-panahy tsy mitombo mihitsy .Sampona no iantsoana izany .

Fanontaniana:

Mbola ao amin’ny làlana mankany amin’ny fiainana mandrakizay ve ianao sa efa niova làlana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM