1 MPANJAKA 11.4-13
Niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra i Solomona
Solomona dia anisan’ny mpanjaka nalaza tamin’ny fananana fahendrena sy fahaiza-mitondra ny firenena ,saingy tamin’izao fahanterany izao dia nivily làlana izy ka niala tamin’Andriamanitra .Inona àry no nahatonga izany ?
1-Nanaiky hotarihan’ny vadiny hanompo sampy
Nanambady vehivavy taranaka mpanjaka maro I Solomona .Nataony izany mba ho fanamafisana ny fifandraisana teo amin’ny Israely sy ireo firenena nanodidina azy .Tamin’ny andron’ny fahanterany dia nitarika azy hanompo sampy ireo vadiny,izay hafa firenena ireo .Ary noho ny fitiavany azy ireo no nahatonga azy hanao izay ratsy indrindra teo imason’i Jehovah (and6), ka nanaiky hanompo ny andriamanitr’ireo vadiny .Eto noilazana fa tsy tokony hampiala ny olona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiavam-bady.Tokony hitandrina ny kristiana manambady tsy mpino , fandrao hovoatarika hiala amin’Andriamanitra .
2-Nitotongana ny fanjakany (and11)
Tsy hoe: tsy nahalala akory I Solomona , fa tena niniany natao izao fivilian-dàlana hanaraka andriamanin-kafa izao , ka tsy nitandrina izay nandidian’I Jehovah azy noho ny fitiavam-bady tafahoatra .Mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famaizany ny fivadihana Aminy .Nesorin’Andriamanitra taminy ny fanjakana .Na teo aza izany dia nomeny firenena iray hanjakany ihany ny zanany .Izany dia noho ny teny fampanantenana nataony tamin’I Davida sy Jerosalema .Tokony ho mailo isika mpino sy izay rehetra manao azy ho efa mijoro , fa betsaka ny zavatra mety hampiala antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra .Izay mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany ihany no ankasitrahana .
Fanontaniana
Vakio ny LIOKA 14.26. Ahoana ny fandraisanao izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM