Efesiana 1.] -6
Isaorana anie Andriamanitra ! Inona avy no manetsika antsika hisaotra ho an’Andriamanitra
1- Nitahy antsika lzy (vakio ny and.3)

Izy no mahatanteraka ny zavatra rehetra araka ny fikasany hatrizay hatrizay. Hoy ny Voasoratra: « Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin ‘ny, fitahiam-panahy rehetra any an- danitra… » (and3) ». Raha fitahiana momba ny tany Kanana no nampanantenaina ny zanak’Israely, ny fitahiana ny fiangonana kosa dia lehibe kokoa noho izany, satria momba ny fiainana mandrakizay any an-danitra, izay santarina sahady ety an-tany « ao amin’i Kristy« . Ny fampiraisana antsika amin’i Jesoa Kristy Zanany dia fampidirana antsika ho isan’ny vahoakan’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary izany fahasoavana izany no ambaran’ny mpanoratra ho fitahiam-panahy lehibe raisintsika ka hisaorana sy hankalazana Azy (and.6)
2- Nifidy antsika Izy (vakio ny and.4, 5)
Mampahery antsika fiangonana ny fahalalana fa Andriamanitra no nifidy antsika. Efa fantany sy teo am-pelatanany avokoa ny momba antsika rehetra satria « fony tsy mbola àry ny fanorenan’izao tontolo izao » no efa nifidianany antsika. Tsy takatry ny saina ny antony nifidianany antsika, satria tsy miankina amin’ izay ezaka nataontsika fa safidy sy sitrapon’ Andriamanitra samirery izany. Miasa lzy ka manaisotra ny fahotantsika rehetra mba hahatonga antsika ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany. Natokany ho Azy isika tamin’ny alalan’ny firaisana amin’i Kristy, ka tonga zanany (and.5). Ary izany fahasoavana raisintsika ao amin’Ilay Zanany Malala izany no hiderantsika Azy (and.6)
Fanontaniana:
Amin ‘ny fotoana inona no isaoran ‘ny olona an ‘Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM