APOKALYPSY 1.17-20
« Izaho no voalohany sy farany «
Fombam-pitenenana miverimberina asehon’ny Soratra Masina izany ary Andriamanitra izay ao amin’i Jesoa Kristy irery no mendrika miteny izany .Izy ihany koa no afaka manao hoe: « Izaho » (ampitahao Eks 3.14) . Nadika hoe : voalohany sy farany ny Alfa sy Omega izay fiandohana sy fiafaran’ny alfabeta Grika .Izany dia entina ny fahafenoan’ny zavatra iray izany sy indrindra koa ny hery amam-pahefan’Ilay Andriamanitra Tsitoha Tompon’ ny tantara sy izao tontolo izao ,Tompon’ny zavatra rehetra ary manam-pahefana feno sy tanteraka amin’izany , hatramin’ny taloha sy ankehitriny ary amin’ny ho avy .
Maty nefa velona mandrakizay
Tena nahavariana ny làlam-piainan’ny Tompo Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy : velona Izy dia novonoina ,nefa velona indray ary ho velona mandrakizay . Raha amin’ny maha-Andriamanitra Azy dia tsy tokony handalo io fahafatesana io mihitsy akory Izy ,saingy noho ny faharatsian’ny olombelona ka nahatonga ny olona ho faty dia nitady vahaolana Andriamanitra tamin’ny nahatongavany ho olona tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ary nanaiky ho faty ho fanesorana ny olona amin’izany fahafatesana izany , izany hoe : hisolo vaika ny olona izay meloka ka tokony ho faty mandrakizay noho izany fahotana vitany izany .Noho izany plan’Andriamanitra izany àry , noho ny nahafatesany sy ny nahavelomany indray dia afaka ny ho velona koa ny olona izay tsy maintsy maty noho ny fahotana , ho velona indray izay manana sy mino an’i Jesoa Kristy ,Ilay voalohany sy farany sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana .
Fanontaniana:
Ny olona efa maty ve mety mbola ho velona indray ? Amin’ny fomba ahoana no isian’izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM