DEOTERONOMIA 13.7-9

Zava-droa loha no ampitain’ny bokin’ny Deoteronomia amintsika anio .

1-Mijoroa amin’ny finoana marina (and 7,9)

« Raha mitaona alahinao , zanaky ny reninao na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy ,na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao …dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao » ,hoy ny voambara eto. Misongadina ao anatin’izany fa anjaran’ny mino no mihazona ny finoany sy ny faharesen-dahany ary ny fahavononany hifikitra amin’Andriamanitra , na dia ao anatin’ny ankohonana aza (tena olona akaiky) no mitady hitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy . Amin’ny fotoana milamina mantsy ,tsy dia hita izany fa rehefa tonga ny zava-tsarotra ,toy ny aretina, ny olana ara-bola sns …, ka mila ho very hevitra dia mipoitra amin’izay io fitaomana hitady vaha-olana amin’ny andriamanin-kafa io,fa isika mino , na inon-kidona . Jesoa ihany no Tompontsika sy tompointsika.

2-Aza miray tendro amin’ny fanompoan-tsampy (and10)

« Ary torahy vato ho faty izy satria efa nitady hitaona anao hiala amin’i Jehovah Andriamanitrao » . Ny hevitra mafonja ao anatin’izany dia hoe: tsy miray petsapetsa amin’izay endrika fanompoan-tsampy isika , ary tsy vitan’ny hoe : mitsipaka sy mandà fotsiny fa tena manala izany hatramin’ny fakany eo amin’ny fiainantsika . Alavirina impito mandifotra olona ny sampy , ary tsy iombonana na minitra iray monja aza ny hevitra mitarika hanompo sampy, ka anarina mafy izay mitady hitarika anao na ny hafa. Tsy amin-kery setra akory ,fa amim-pahendrena feno ,fa hoy i Jesoa « hendre tahaka ny voromailala ary fetse tahaka ny menarana » (Mar 10.16)

Fanontaniana :

Inona no fepetra tokony ho raisina raha misy mitady hivily ho amin’ny fanompoan-tsampy ao amin’ny ankohonanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM