Isaia 41. 14-20

Fampaherezana niantefa tamin’ny jiosy babo tany Babylona no fonosin’ny Isaia faharoa (Isa 40-55), ary mampihasinkasina izany ny anjara mofonaintsika anio. Tian’ny Tompo ho takatsika fa

1. Tsy manary na oviana na oviana Izy (and 14)

« Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo ry Isiraely olom-bitsy ». Fanomezan-toky miezinezina ny hoe « Aza matahotra », tena nilain’ny jiosy tany am-pahababoana izany satria feno tahotra izy ireo, tsy ny Babyloniaina loatra anefa no natahorany fa nihevitra izy ireo hoe tena efa nariana sy nafoin’ Andriamanitra mihitsy, nihevitra koa aza izy ireo fa resy mihitsy Jehovah ka tsy manan-kery hamonjy intsony. Eo indrindra anefa no miteny Andriamanitra, ka ny hoe aza matahotra anehoany fa sady tsy resy Izy no tsy afoiny ny olony! Ary tsy izany ihany aza, fa vonon-kamonjy ny olony Izy. Isika mila ho kivin’ny fahotana sy mihevi-tena ho tsy ilain’Andriamanitra intsony, mitrakà, efa nomena Jesoa Kristy hamonjy antsika

2. Mampandresy ny olony Izy (and 15 ss)

« Indro ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao… ». Raha vakiana ny tohiny rehetra, dia azo aravona hoe ampandresen ‘Andriamanitra ny olona fa tsy avelany ho rembin’ny jentilisa intsony ary anehoany ny voninahiny. Raha tomorintsika akaiky dia hohitantsika fa omen’Andriamanitra hery sy tanjaka ny olona ho afa-mandresy ny fahavalony. Ambonin’izany. asehon’ Andriamanitra amin’izy ireo fa karakarain’ Andriamanitra izy ireo ka omeny rano hanafaka hetaheta (and 17. 18), omeny hanina tsy ho noana (and 19). Isika izao koa, tsy diso anjara fa omeny mpamonjy mba hananana fiainana, sy hokarakaraina: indro Jesoa Kristy!

Fanontaniana

Hatraiza ny fahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe