JEREMIA 31.21-25
Andriamanitra mamaly ny fitarainan’ny olona
1-Miaro azy tsy ho diso làlana
« Manangana famantaran-dàlana ho anao ianao , manorena tsangambato… » (and21). Nangataka tamin’Andriamanitra hiverina any an-tanindrazany i Efraima ary dia neken’Andriamanitra izany .Mialohan’ny ialana any am-pahababoana anefa dia tokony haniraka olona hialoha làlana azy ireo ka hametraka marika any an-dàlambe mba tsy hisy ho very ny vahoaka mody .Rehefa mody izy ireo , isaky ny mamindra dia hahatsiaro fa efa babo satria diso làlana . Araka izany , Andriamanitra miaro ny vahoakany tsy ho diso làlana intsony ka manome famantaran-dàlana ho azy . Efa nomena famantaran-dàlana koa ny kristiana dia i Jesoa Kristy fa Izy no làlana azo antoka hahatongavana any an-danitra .
2-Manome fiainam-baovao
« Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ny tany : vehivavy no hanodidina lehilahy » (and22)
Eny an-dàlana avy any Babylona dia tsy tokony hitaredretra intsony ny vahoaka satria efa hanao zava-baovao ho an’i Jerosalema Andriamanitra .Ary ny filazana fa « vehivavy no hanodidina lehilahy » aza dia fomba fiteny milaza ny virjiny hitoe-jaza dia ny hahatongavan’ny Mesia izany . Fampanantenana fiainam-baovao no nataon’i Jehovah .Rehefa mitaraina amin’ny olana mahazo azy ny olona , Andriamanitra mamaly ka mampanantena fiainam-baovao ho antsika .Efa nanome antsika an’i Jeso aKristy Izy mba hananantsika fiainam-baovao ao Aminy , dia fiainana sy fiadanana maharitra mandrakizay .Ko a aza mitaredretra fa raiso amin’ny finoana izany .
Fanontaniana:
Inona no mampitaredretra anao tsy handray an’i Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM