JOSOA 24.14-18

Ny ankohonana manompo amin’ny fahamarinana

1-Manary ny sampy

« Ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Egypta… » (and14) .Tafita ny ony Jordana ny Zanak’Israely eto dia nanafatra azy ireo i Josoa mba hanary ny andriamanin-kafa izay tompoin’ny firenen-kafa ary anisan’izany ny Egyptiana , satria efa nofidin’i Jehovah ho vahoakany ireo ka tokony hanary ny sampiny .Toy izany koa ny kristiana ankehitriny , izay mahatsiaro fa efa nofidin’Andriamanitra ,nafahany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristydia tokony hanary ny sampy izay notompoin’ny razany na izay tompoin’ny jentilisa. Amin’ny fotoana hahatsiarovan’ny olona ny hasarobidin’ny fahafahan’Andriamanitra azy no hisafidy hanary ny sampy tsy mahavonjy izy .

2-Misafidy ny hanompo an’i Jehovah

« ...fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Jehovah izahay » (and15) . Nametraka safidy teo amin’ny olona i Josoa mba handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra na hanompo andriamanin-kafa na hanompoan’i Jehovah.Tamin’izany koa no nanambaran’i Josoa ny safidiny dia ny hanompo an’i Jehovah.Tsy izy irery ihany anefa , fa i Josoa mbamin’ny ankohonany . Ny olona izay nahafahan’Andriamanitra sy notantanany ary nofidiany ho mpanompo dia misafidy ny hanompo an’Andriamanitra .Tsy izy irery fa miaraka amin’ny ankohonany .Noho izany ,azo lazaina fa làlana idiran’ny famonjena ao amin’ny ankohonana ny fisafidianana hanompo an’Andriamanitra .Ento hanompo an’i Jesoa Kristy ny ankohonanao mba handray sy hisitraka ny famonjena .Fidio ny hanompo an’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana:

Inona ny fomba hitanao mahomby hitaomana ny ankohonana hanompo an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM