Ezekiela 18. 23-32

Andriamanitra Marina

1. Mitaona ny olona hibebaka

«Mitodiha, ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra..» (And. 30) Teny fampanantenana ataon’ Andriamanitra amin’ny vahoaka raha mibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony. Nihevitra ireto vahoaka ireto, tamin’izany, fa na dia manao ny tsy marina aza izy ireo, dia ny taranany no hizaka izany fa tsy izy ireo. Ahitsin’Andriamanitra izany fomba fisainana izany. Samy mizaka ny vokatry ny fahotany ny olona tsirairay ka mila mibebaka. Noho izany, marina ny fitsaran’Andriamanitra amin’ny olona, tompon’andraikitra amin’ny fahotana vitany ny tsirairay ka mila miverina amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahana mibebaka, miverina amin’Andriamanitra. Koa mibebaha.

2. Mitaona ny olona amin’ny fiainana

«…ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Isiraely? » (And.31) Rehefa avy mibebaka ny olona, dia taomina hanana fomba fisainana vaovao, fahatsapana vaovao, mba hahafahana mandeha amin’ny lalana vaovao izay mamaritra ny toetra sy fitondran-tena vaovao. Ny olona manana izany toetra izany no efa niala tamin’ny fahafatesana ka nisafidy ny fiainana. Andriamanitra mbola miala nenina amin’ny olona ka mitaona azy am-pitiavana indray mba handray ny fiainana. Ary izany fiainana izany dia napetrany ao amin’i Jesoa Kristy. Ka ny olona misafidy hanana toetra sy fomba fisainana araka an’i Kristy no manana fiainam-baovao.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba hialana amin’ny tontolon’ny fahafatesana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe