MARKA 9.14-29

Ny fahefan’i Jesoa Kristy

1-Mandresy ny Fanahy maloto (and25-27)

Fanahy ratsy moana sy marenina no tao amin’ity zazalahy ity . Efa nisy fotoana ihany ny rain’ity zazalahy ity nandre ny amin’i Jesoa namoaka fanahy maloto.Sendra tsy teo anefa Jesoa ka ny mpianany no nitondran’ilay rainy ilay zazalahy , saingy tsy sitrana ilay demoniaka .Fanahy maloto moana sady marenina ity fanahy maloto ity ka tsy afaka tamin’ny fandroahana devoly. Fa ny torohevitra nomen’i Jesoa ny mpianatra dia ny vavaka sy ny fifadian-kanina .Mila finiavana , faharetana, fahazotoana izany . Tsy mbola nisy siantifika teto amin’izao tontolo izao na olon-kendry ihany ka nahavita nandroka ny fanahy maloto, zavatra tsy hainy ary tsy ho voafehiny mihitsy izany fa Jesoa Kristy Tompontsika anefa mahery noho izany .Mahery ny Andriamanintsika .

2- Manova ny zotram-piainan’ny olona (and21)

« Hatry ny fony izy mbola zaza« , izany hoe : vao manomboka ny tantaram-piainany dia efa teo ambany fahefan’i satana sahady ny zotram-piainan’ ity zazalahy ity .Efa nandevozin’ny satana ary tsy hiala izy mandra-pahafatiny .Satana no manampatra fahefana aminy .Fa indro tonga i Jesoa , famonjena hitan’ny rainy hanafaka azy amin’ny fahefan’i satana. Resin’i Jesoa satana , afaka ilay zazalahy .Raha efa hitanao fa iharan’ny fanaparam-pahefana ataon’i satana ny fiainanao , aza adinoina fa manana fahefana handresy azy i Jesoa Kristy Tompontsika .Hainy tsara izany ka meteza ho afaka e!

Fanontaniana :

Misy mampahory am-panahy anao ve? Iza no vaha-olana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM