NEHEMIA 5.1-8
1-Ampahoriana mandrakariva ny malahelo
Voalaza eto fa nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ny Jiosy rahalahiny , izany hoe: nitaraina amin’izay afitsoky ny Jiosy amin’ny Jiosy .Aseho eto fa nitondra ny mafy sy ny mangidy tokoa ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny , satria raha ambara amin’ny teny hafa ny zava-misy dia izao : voatsetsitra avokoa ny olona amin,ny ankapobeny , ary ireo olona tsy mba manana zavatra azo ianteherana ka atao ho fanavotana izay ananany na hanavotana ny zanany amin’ny fotoan-tsarotra , izany hoe : tsy mba manana zavatra azo atao antoka amin’ny zava-manjo azy mihitsy . Ny tena iharan’ny tsy rariny dia ireo olona sahirana indrindra .Efa nisy hatramin’ny taloha izany ny fiaraha-monina tsy mijery afa-tsy ny tombotsoan’ny olona manam-bola sy ny manankarena .Ny zavatra voatantara eto dia mbola hita eo amin’ny fiaraha-monina misy ankehitriny ihany koa .
2-Tsy ekena ny tsy rariny ataon’ny oloba amin’ny olona
Fihetsika mandeha ho azy ny fahatezerana tao amin’i Nehemia , raha mbola olona mahalala maharary amin’izay zava-manjo ny olona tahaka azy ihany , satria raha mihatra amin’ny tena sy ny vady aman-janaky ny tena moa ny olona voalaza eto ,moa eken’ny tena ve ary vita ve ny tsy hitady vaha-olana ? Manoloana izany dia tsy maintsy tadiavina ny vaha-olana hanampiana ireo olona voa mafy . Araka izany , tsy azo jerena fotsiny ny tsy rarainy ataon’ny olona amin’ny olona, tsy ekena ny fitsetsefana atao aamin’ny madinika sy ny mahantra fa tsy maintsy mamaha izany ny tomponandraikitra .
Fanontaniana :
Inona no ataonao manoloana tsindry hazo lena manjo ny mahantra sy ny madinika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM