I Samoela 15. 1 – 11

Hovalian’Andriamanitra

1- Izay manakana ny olona tsy hiditra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra (and2)

« Hovaliako izay nataon’ny Amalekita tamin’ny Israely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana fony izy niakatra avy any Egypta ». Ireo Amalekita ireo dia vahoaka ffahavalon’Andriamanitra satria nanakana ny dian’ny Zanak’Israely raha nizotra ho any Kanana izy ireo rehefa avy any amin’ny fanandevozana. ( Eksodosy 17. 8 – 16). Ankoatra izany dia mpihetraketraka amin’ny fiaraha-monina maodidinq azy ireo ; mpampahory olona. Nony efa mby ao Kanana izay ireo ka nanana mpanjaka  dia nasain’Andriamanitra naringana avokoa, tsy nisy avela ho velona na zaza amam-behivavy, na biby fiompy satria nanakatsakana ny vahoakany tsy hiditra ny tany Kanana. Ry havana, ny fiainana mandrakizay no Kananantsika, na iza na iza manakana antsika tsy ho any dia Andriamanitra no mamaly azy.

2-Izay tsy manaraka ny Teniny (and 09)

« Manenina Aho ny amin’ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’y fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny Teniko » . Andriamanitra no nametraka an’I Saoly ho mpanjaka kanefa tsy mba nanaraka ny Teniny akory i Saoly, hany ka nanenina Izy, naleony nomena olona hafa izay manaraka ny Teniny ny fanjakana. Very izy sy izay zananay tokony handimby azy eo amin’ny fanjakana.

Fanontaniana :

Sao mba misy amintsika kosa manana ny toetran’ny Amalekita sy i Saoly ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM