HEBREO 11.11-12

Manatanteraka ny Teniny Andriamanitra

1 Mahatoky Izy

Andriamanitra mahatoky dia midika fa Andriamanitra marina amin’ny teny nambarany, tsy miova, tsy mivadika fa izay lazainy dia ataony sa tanterahiny tokoa. Noraisin’i Saraha tamin’ny finoana noho izany ny teny fikasana nataon’Andramanitra taminy fa hanana anaka izy. Na dia efa antitra aza izy sy Abrahama vadiny dia tsy nisalasala nanoloana ny Tenin’ Andriamanitra. Tsarovy fa toetra mampiavaka an’Andriamanitra ivavahantsika ny maha Andriamanitra marina sy mahatoky Azy. Raiso amin‘ny finoana ny Teniny nambara taminao. Minoa, matokia fa izay lazainy tsy maintsy tanterahiny ho amin’ny fiainanao.

2- Miasa amin’ny heriny mahagaga

Niaina ny fahatanterahan’ ny Teny fikasan’Andriamanitra tokoa i Abrahama sy Saraha vadiny. Amin’ny fijery sy ny fisainana maha-olombelona dia efa tsy tokony hiteraka intsony izy ireo. Noho ny finoany an’Andriamanitra anefa, ary indrindra noho Ilay Andriamanitra mitana ny teny nataony izay niasa tamin’ny fomba tsy takatry ny sain’olombelona, dia niteraka an‘i Isaka tokoa i Saraha, ary tsy nijanona tamin’izany fa nanana taranaka maro be izy ireo, Tanteraka tokoa ny hoe : ho tonga firenena lehibe i Abrahama. Tsarovy fa amin’izay toe-javatra tsy ahitana vahaolana, tsy ahitana làlana hombana dia eo mandrakariva Andriamanitra mitondra vaha-olana mahasoa ho anao. Minoa ny Teniny fa miasa amin’ny heriny Izy.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola misy olona misalasala ny amin’ny fanatanterahan ‘Andriamanitra ny Teniny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM