Genesisy 39, 7-10
Ny olona mijoro amin ‘ny finoana
1-Afaka mandà an-kitsirano ny fakam-panahy
Dia nandà izy ka nanao hoe … »(Gen 39.8). Vehivavy izay noheverina fa mba manana ny maha- izy azy ihany ny vadin’ i Potifara. Fanararaotam-pahefana, fitsiriritana, fikasana hijangajanga tsotra izao no nitaomany an’i Josefa. Na dia mpiasa aman ‘olona ary mbola tanora anefa i Josefa dia hentitra ny fandavany. Tsy afaka ny handika ny didin’Andriananitra ary tsy afaka handiso fanantenana an’i Potifara izy. Aoka isika hanana fahasahiana handà ny filàn- dratsy. Voasoratra hoe: « Mahonona tena, miambena, fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin ny finoana ianareo« (I Pet 5, 8-9).
2- Afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy
« Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra ? » Voasoratra ao amin’ny didy folo ny hoe : « Aza mangalatra, aza mijangajanga, aza mitsiriritra ny vadin ny namanao.. » (Eks 20, 14.15.17). Ny olona mangalatra vadın’ olona dia mandika ny didy maro avy hatrany. Mariky ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra ny fanaovana tsinotsinona ireo didiny sy fitsipiny. Hoy i Jesoa hoe : » Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko » (Jao 14, 15). Zava-dratsy tokoa sy fahotana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanekena ho lavon’ny fijangajangana. lzay lavon’izany dia sady mpihatsaravelatsihy, mpandainga, no mpangalatra, no mpijangajanga, no mpitsiriritra vadin’olona no fanetriben’ny firenena. Tsy azo itokiana fa mpanimba tokatranon’olona.
Fanontaniana:
Nahoana no mbola maro ireo lavon ‘ny fijangajangana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM