Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino

Mofonaina anio:
Zoma, faha 08 Mey 2026

Sal 63.1-4 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 515

Romana 8,14 – 17

14 Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino

1- Mitari-dalana

Zavatra iray ihany no ambara amin’ny hoe: « asan’ny Fanahin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainana » sy ny « fitoeran’i Kristy ao am-po ». Izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy dia tonga zanak’ Andriamanitra. Ary satria zanaka isika, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô (Gal 4.6). Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika (and.16). Ny Fanahy no mitarika ny mpino hananany fahamasinam-piainana. Amin’izany dia tsy manan-kery hanapaka ao aminy intsony ny ota. Tsy afaka hanohitra ny herin’ny ota isika raha tsy manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina. « Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra » (and.14). Ny tena zanak’Andriamanitra dia izay manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina. « Fa raha misy tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra, dia tsy Azy izy. » (Rom 8.9b).

2- Mahatonga ny mpino ho mpandova miaraka amin’i Kristy

Andriamanitra dia efa nampanantena an’i Abrahama, fa ny taranany no handova ny teny fikasana nomena azy. Tahaka izany koa ny Kristiana, fa sady zanak’Andriamanitra izy no mpandova. Saingy tsy ny tany Kanana fa ny fiainana mandrakizay kosa no lova omena azy. Mpiray lova amin’i Kristy koa izy (and.17), satria i Jesoa Kristy no efa nandray lova voalohany, rehefa nitsangana tamin’ny maty mba ho santatr’izay efa nodimandry. Izay rehetra manantena hiara-manam-boninahitra Aminy ao amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy ho vonona hiara-miaritra Aminy koa. Izay mitondra ny Hazofijaliany no handova satroboninahitra!

Fanontaniana:

Inona no hamantarana ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady



Source link