Mofonaina 9 Août 2023: Hab 2¹-⁴
And.4: Indro, feno avonavona ny fanahin’ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ny finoany
Mizara roa mazava tsara io andininy io:.ny mpiavonavona sy ny mino
1-NY KALDEANA NO FENO AVONAVONA.
Ny fandringanana ny Kaldeana (mponina any Kaldea) no hita eto.
Kaldea dia ny lemaka lehibe misy ny Ony Tigre na Hidekela sy Eofrata. Nalaza indrindra tamin’ny fambolena varimbazaha (blé) izy taloha. Nakaza koa talin’ny fampianarana ambony nivoahana’ny manampahaizana fahiny: ny mpanao trano (maçonnerie), ny mpamantatra toetr’andro, ny fahalalana ny volana aman-kintana (astrologue), ny mpimasy sy ny mpisikidy, ny mpanao arts martiaux samihafa.
Noho izany fahaizana amam-pahalalana nananany izany dia nihevi-tena ho ambony izy ireo. Tsy olana ny manambaka na mametsifetsy ny hafa. Ny nihevitra afa-tsy ny tenany.
Fa ahoana ny mino?
2-NY MARINA HO VELON’NY FINOANA..
DIEM: “fa ny marina amin’ny finoana no ho velona.”
Ny mino tsy miaina amin’ny faharatsiana fa miandry izay atolotry ny Mpahary. Ahoana izany?
Heveriko fa ilay fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Mat 6²⁴-³⁴ mihitsy no efa nambaran’i Habakoka, saingy ny fomba nampitana azy no tsy nitovy. Raha hazavaina dia izao, ny mino tsy miantehitra amin’ny hita maso (fahaizana, vola, harena), fa matoky an’i Jehovah Andriamanitra Ray Tsitoha. Matoky ny Ray satria zanaka. Manao ny sitrapony no hany atao (mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany), ary mitodika AMINY ka miandry izay sahaza.
Raha manohy ny Hag.2 ianao, dia hino ary hahalala ny marina ka handà ireto:
And.6: mandraoka ny tsy azy
And.9: harena tsy marina
And.12: mandatsa-dra
And.15: mampisotro divay ny namana
And.18-19: manompo sokitra na vato aman-jazo.
HAFATRA
Loza dimy no hihatra amin’ny mpiavonavona. Ianao no antsoin’i Jesoa hamaky tsara izay eo amin’ny fàfana (and.2). Rehefa namaky dia hankatò mba tsy hihatra aminao ireo loza dimy ireo. Minoa an’i Jesoa Tompo, dia hovonjena.Asa 16³¹
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires