Mofonaina 8 Jona 2023: Jer 42⁷-¹²
Ny vahoaka naniraka an’i Jeremia hihaona amin’i Jehovah no hita eto. Fitadiavana vahaolalana manoloana ny fahavalo no antony, na fiarovana amin’ny fanafihan’ny Babyloniana. Fanekena sy fankatoavana anefa no valiteny azon’i Jeremia tamin’i Jehovah, fa tsy fandosirana mankany Egypta. Raha sanatria tsy manaiky izany, araka ny tenin’i Jehovah, dia hiharan’ny sambatra sy mosary ary areti-mandringana. Tsy nihaino ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia mihitsy ny olona. Fankahalana no nasetriny izany. Nankany Egypta mihitsy izy ireo handositra ny Babyloniana. Resin’ny Babyloniana koa Farao Neko mpanjakan’i Egypta, ka nihatra tamin’ny Zanak’Isiraely nankany Egypta ny faminaniana nambaran’i Jeremia.
Raha manohy ny tantara isika, na babo tany Babylona aza ny Zanak’Isiraely, nampiasain’i Jehovah Andriamanitra i Kyrosy hanavotra sy hanafaka ny Jiosy voababo tany Babylona. Ireo nankany Egypta moa tsy nisy niangana, fa ringana.
ANATRA: manana ny hevitra hiheverana antsika Jehovah: “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany*.” (Jer 29¹¹). Tsy hevitsika na ny fisainantsika no hahasoa, fa ny an’i Jehovah. Ny antsika ny anio ihany, fa ny an’i Jehovah kosa dia ny ho mandrakizay. Ny antsika dia ny ho antsika, ny ho ahy no marimarina kokoa, fa ny an’i Jehovah kosa ho an’ny rehetra. Koa raha mbola fitiavantena no mamatotra antsika, aza manantena fahafahana mandrakizay. Satria voafatotr’i Satana izay tia tena, dia ny helo no miandry.
HAFATRA : Andeha hibebeka dia hihaino an’i Jehovah. IZY no hanafaka, satria mahalala ny zavatra sy Tompon’ny hery rehetra..
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires