Mofonaina 6 Sept 2023: Mar 5¹⁸-²⁰
Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesoa, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. Nefa tsy navelan’i Jesoa izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’i Jesoa taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
Tsy maintsy manahaka an’i Jesoa izay navotany sy novonjeny. Satria efa afaka, dia tsy maintsy mitory sy manambara amin’izay mbola voageja sy voafatotra.
1-Raha tsy mitory sy manambara ny asan’i Jesoa ity demoniaka ity, dia tsy ho tafita amin’ny havany, indrindra ny mponina tao Dekapolisy ny maha-Mpamonjy, Mpanavotra, Mpanafaka an’i Jesoa. Izany no tsy maintsy nanirahan’i Jesoa azy.
2-Mila vavolombelona ny asam-pamonjena ary fifandimbiasana. Kristy tsy naharitra mandrakizay teto an-tany. IZY ANDRIAMANITRA aza nisy fifandimbiasana: RAY, ZANAKA, FANAHY. Tsy maintsy ho izany koa amintsika olombelona: Paoly Apostoly nandray tamin’i Jesoa dia nampita tamin’i Timoty. Timoty mampita amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany (Vakio 2Tim2²)
3-Sarobidy tokoa sady fahasambarana no miaraka amin’ny Tompo Jesoa. Saingy tsy mbola eto an-tany no fahatanterahan’izany. IZY TOMPO aza niaritra ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana. Noho izany, aleo aloha mitory ny famonjena mba hiombonana amin’ny fifaliana tsy misy fetra an-danitra rahatrizay. Tsy maintsy mitory aloha ankehitriny.
HAFATRA.
Inona no zavatra sarobidy efa nataon’i Jesoa Kristy ho anao. Mandehana, mitoria, manambara fa ianao no vavolombelony, ianao no taranaka fitohizan’ny asam-pamonjena. Aza kivy, fa IZY no momba anao. Mazotoa, mahereza.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires