Mofonaina 6 Jona 2023: Eks 6²-⁸
And.6: “Koa lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.”
1-Mamerina amin’i Mosesy Jehovah eo amin’ny and.2-3, fa ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoany sy nahalalana AZY. Manombona izao dia Jehovah. Koa indro averiko ny fanazavana tamin’ny 23/04/23, Eks.3¹⁴: “IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY.” Raha adika arabakiteny dia “JE SIUS, QUI ÉTAIS ET QUI SERAI”. MISY AHO, EFA NISY HATRIZAY, HO MANDRAKIZAY NY FISIAKO. Ny verbe “être” rahateo no fototenin’i teny hoe: “JEHOVAH”. Noho izany, ho mandrakizay mandrakizay ny maha-IZY AZY AN’I JEHOVAH, fa tsy ho foana. Tsy tahaka ireo andriamanitra sandoka izay notompointsika teo aloha, izay anarana sisa na tsy fantatra intsony.
Asainy ambaran’i Mosesy amin’ny Zanak’Isiraely io ka ambarako antsika indray. Inona no antony?
2-JEHOVAH, ANDRIAMANITRA TSITOHA no hanafaka. Malahelo amin’ny fampanompoan’ny Egyptiana ny olony Jehovah ka hanafaka. Ambarany eto fa: “sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.” Ny tohin’ny tantara no manamarina io sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe io. Diniho ny tantara ny amin’ny loza folo nihatra tamin’ny Egyptiana : 1-rano tonga rà, 2-sahona, 3-moka, 4- lalitra, 5-aretina tamin’ny biby, 6-vay, 7-havandra, 8-valala, 9-haizimpito, 10-fahafatesan’ny lahimatoa rehetra hatramin’ny an’i Farao teo ambony seza fiandrianana. Tsy Mosesy intsony no nangataka taorian’io, fa Farao sy ny Egyptiana no nandroaka azy ireo. Na nanenina sy nanenjika indray aza taorian’io, dia natelin’ny ranomasina mena. (Vakio toko.6-14)
HAFATRA. JEHOVAH, ANDRIAMANITRA TSITOHA no Tompon’ny hery rehetra (Dieu Omnipotent). Minoa AZY, maneke ny sitrpony dia hanafaka anao amin’izay mampahory sy mangeja anao IZY, na inona izany na inona.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Am

Source