Mofonaina 4 May 2023: Mpits 6³³-⁴⁰
Hoy ny and.34: “Ary notsindrian’ny Fanahin’i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka…”
1-Tsy Tompon’ny tenany i Gideona. Rehefa notsindrin’ny Fanahin’i Jehovah izy, dia nandeha sy nanatontosa izay baiko sy tari-dàlan’ny Fanahin’i Jehovah. Tsy manan-tsafidy fa fitaovana eo an-tànan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahin’i Jehovah no HERY sy ANTOKA handresena ny fahavalo rehetra. Ny manaiky sy mankatò no hany tsara sady sarobidy indrindra, ka indro i Gideona nizotra tamin’izany tinendrin’ny Fanahin’i Jehovah izany. Ny herin’io Fanahin’i Jehovah io no nankatoavan’ny Abiezerita, Manase, Asera, Zebolona, Naftaly…sns… hiaramiasa tamin’i Gideona.
2-Tsy Tompon’ny tenany ka nangataka famantarana tamin’i Jehovah. (and.36-40). Ny alina voalohany dia ny volon’ondry ihany no ho mando fa ny tany manontolo ho maina. Tanteraka izany ka rano eraky ny lovia no tamin’ny volon’ondry. Ny alina faharoa dia ny mifamadika amin’izany ka ny tany manontolo ho mando fa ny volon’ondry kosa ho maina. Tanteraka koa izany, ka niroso tamin’ny baiko rehetra i Gideona, ary nampandresy azy Jehovah Tompo.
Tantara nisy, nolazain’ny filohan’ny FJKM ity. Président Synodal iray nandeha an-tongotra hanao ny asa. Lavitra ny làlana, ka tsy maintsy natory an-tsaha fa tsy nisy tanàna. Reraka ka ka nahatsiaro fa natory dia natory. Gaga izy nony maraina: nisy orana ka nokaofin’ny riaka ny tany manodidina ny natiriany, fa izy kosa sy ny tany natoriany tsy nisy na ando kely aza.
HAFATRA : rehefa mibaiko anao ny TOMPO, RAY ZANAKA FANAHY, aza misalasala, aza mangatak’andro, aza mametraka olana. Raha nampandresy an’i Gideona IZY, dia hampandresy anao, raha vonona ho fitaovana eo an-tanàn’ny AVO INDRINDRA ianao.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires