Mofonaina 4 Août 2023: Filemona 4-7
Toko iray ihany ny Epistily ho an’i Filemona. Tsy nosoratana ho an’ny fiangonana na ho an’ny mpitondra Fiangonana, fa ho an’olo-tokana.
SOA FA NIGADRA I PAOLY. NAHOANA?
Tany amponja no nahitany an’i Onesimosy mpiasan’i Filemona izay nangalatra tao aminy. Nandray an’i Kristy izy ka niova ho olombaovao, noho ny fitorian’i Paoly ny filazantsara taminy. Tsy nahasoa an’i Filemona fahiny, fa mahasoa azy sy Paoly ankehitriny (and.11). Mahasoa rahateo no hevitry ny anarana hoe Onesimosy.
VOTOATIN’NY EPISTILY NA TARATASY.
Filemona (Philémon) dia avy amin’ny teny hoe philema= oroka, baiser. Fitiavana no fototry ny oroka, ankoatry ny an’i Jodasy. Filemona rahateo dia nanana finoana niteraka fitiavana mba ho famelomana ny firaisana sy fiombonana. Izany fitiavana vokatry ny finoana izany no angatahan’i Paoly amin’i Filemona mba handray an’i Onesimosy tsy ho andevo na mpiasa, fa rahalahy. Rahalahy satria samy zanak’Andriamanitra, samy mpino, samy fiangonana. Filemona efa nandray an’i Kristy, Onesimosy koa torak’izany, Paoly rahateo tena Apostoly. Noho izany maha-zanak’Andriamanitra azy telo lahy izany dia havela heloka i Onesimosy. Mangataka izany amin’i Filemona i Paoly noho ny fifamatorana akaiky amin’izy roalahy (and.17-21). Tsy didy fa fiangaviana, nefa hihoatra noho ny hataka aza, noho ny fitiavana vokatry ny finoana.
HAFATRA.
Tsy iadian-kevitra ny valin’ny fangatahana : ENY. Mandehana ianao ka manaova toy izany koa: MINOA, MITIAVA HO FANAVOTANA NY HAFA.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source