Mofonaina 31 Jolay 2023: 1Tes 5²³-²⁸
And.23-24: “Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy Tompontsika.. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.”
Tsodrano natolotr’i Paoly Apostoly ho an’ny Fiangonana tao Tesalonika no famaranana ny lohahevitra hoe: Hevero ny fifidianan’ny Tompo. Tena mahavelom-panantena izany, noho izao antony izao:
1-Hanao izay hahatanteraka antsika ny Tompo.
Eto antany no misy antsika ankehitriny. Tsy mbola misy tanteraka (parfait) isika. Samy manana ny kilemany avokoa. Hoy ny mpandinika: ao amin’ny olona heverina ho ratsy dia misy tsara ao aminy, ary ao amin’ny olona izay heverina ho tsara dia misy ratsy ao aminy. Tokana no hany tonga lafatra na tanteraka (parfait). Tsy Iza izany fa ILAY TENY TONGA NOFO. Rahatrizay, rehefa mandray antsika IZY ho any amin’ny fiainana mandrakizay vao ovana isika. Tsy tena araka ny fombanaina intsony (corps biologique) fa tena araka ny fombam-panahy (corps spirituel). Amin’izay isika vao ho tanteraka sy lavorary. Asany sy fahefana izany. Ny manakatò sy miezaka ho amin’ny tsara kosa adidintsika.
2-Azo antoka fa tsy mivadika ny Tompo.
Toky ho antsika io and.24 io: “Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.”
-Miovaova ny zavatra rehetra. Ny lanitra sy ny tany ho levona, hahoronana toy ny lamba, fa IZY haharitra mandrakizay (Heb 1¹⁰-¹²).
-Mety manadino ny naloaky ny kibony ny vehivavy, mainka ny lehilahy, fa IZY tsy manadino (Isa 49¹⁵).
-Ianao izay nofidiny tsy mba hariany (Isa 41⁹)
-Marina IZY, tsy mivadika amin’izay efa nekeny. Tsy miova rahateo araka ny Heb 13⁸.
Araka izany, IZY no hanao izay hahalavorary sy hahatanteraka anao ka handray anao any amin’ny fiainana mandrakizay. Ampirisihana ianao haharitra hatramin’ny farany ka ho voavonjy (Mat 24¹³)
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires