Mofonaina 30 Aprily 2023: Dan 12⁸-¹³
Ny fitanisana na fanehoana ny faharatsiana tsy roa aman-tany sy ny fiafaran’izany no misongadina eto.
1-INONA NO HITRANGA?
Ho foana ny fanaovana fanatitra ka ho tonga ny fahavetavetana lehibe (9²⁷). Ny fahalotoana manenika ny tany. Fisian’ny Kristy sandoka, fanjakana hamely fanjakana, firenena hamely firenena (Mat 24⁵—)
Ireo anefa tsy maintsy ho foana satria marika manondro ny fiafarana. Efa nisy ny faharavan’izany faharatsiana izany:
-fiafaran’ny fahefan’ireo mpanjaka nampahory ny Zanak’Isiraely
-fiafaran’ny fampahoriana nataondr’i Titus sy ny namany tamin’ny alalan’ny Babyloniana sy ny hafa
-fiafaran’ny fampahoriana nataoan’ny fitondrana Romana
-faharavan’i Jersosalema
-fahavetavetana lehibe
Miandry kosa isika ny fihavian’ny Zanak’olona eny amin’ny rahon’ny lanitra
2-AHOANA IREO FETR’ANDRO VOALAZA?
Misy karazany telo izy ireo: Dan 9²⁷, 12⁷ dia milaza antsasaky ny herinandro na fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro. Raha ny heviny dia ilazana telo taona sy tapany na 60j* 12mois*3,5= 1260j. Dan 12¹¹ kosa milaza ny 1290j, izany hoe 1260+30. Ny Dan 12¹² kosa milaza ny 1335j, izany hoe 1290+45
Soratra ihany ireo. Sarotra tokoa ny mamantatra azy marina. Vao mainka sarotra raha ny 2Pet 3⁸ hoe: 1j= 1.000taona.
Efa nanambara fa voahorona sy voahisy tombokase ny boky. Noho izany tsy ho fantatra izay ao raha tsy misokatra. Jesoa rahateo efa nilaza fa tsy hisy hahalala izany afa-tsy ny Ray ihany (Mat 24³⁶).
Koa aza atao ho olana ny fotoana. Ny hany atao dia ireto: miorina tsara sady maharitra hatramin’ny farany (Mat 24¹³), mandehana araka ny baiko nomena an’i Daniela (Dan.12¹³)
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires