Mofonaina 3 Août 2023: 2Tant 32¹-⁸
Ny adin’i Hezekia mpanjakan’i Joda tamin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria no hita eto.
Sankeriba dia nihevi-tena ho mahery sady efa nandresy firenena maro. Izao no tenin’i Sankeriba ho fiantsiana an’i Jehovah Tompon’ny maro, ho fanamafisana izay efa hita amin’ny 2Tant 32¹⁰-¹⁹: “Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria….”(Isa 37¹⁰-¹³). Tena niteny ratsy na nanao blasfemia an’i Jehovah mihitsy Sankeriba.
Ahoana hoy Hezekia?
Hezekia= herin’i Jehovah. Natoky sy nino an’i Jehovah Hezekia araka ny teniny hoe: “Mahereza ka matanjaha;…Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika…” (and.7-8). Taorian’io dia nivavaka Hezekia araka ny and.20, narahan’ny valim-bavaka teo noho teo and.21. Mihamazava kokoa io raha vakianao ny Isa.37. voalazan’i Isa.37³⁶-³⁸ fa 185.000 ny Asyriana matin’ny Anjelin’i Jehovah, ary Sankeriba dia novonoin’ny zanany teo anatrehan’i Nisroka (andriamanitra tsy nahavonjy azy)
HAFATRA :
Efa maro no nitoky tamin’andriamanitra tsy izy. Diniho izay notompoin’ny razantsika sy efa notompointsika koa taloha. Ampitodihana amin’i Jehovah ianao anio. Jehovah no tsy miova araka ny Isa.46⁴, 48¹², Mal.3⁶. Izay mino sy matoky AZY tsy afoiny. Koa miverena amin’i Jehovah, tanteraho ny didiny dia hiravoravo amin’ny fiadanany ianao
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source