Mofonaina 29 May 2023: Ezek 11¹⁴-²¹
Ny asan’ny Fanahy Masina izay sarobidy indrindra dia:
1- Manaisotra ny faharatsiana.
Ny faharatsiana tena tsy zakan’i Jehovah dia ny fanompoantsampy. Ny olona nandray ny Fanahy Masina dia miandany tanteraka amin’izany ka Manaisotra ny sarinjavatra voasokitra rehetra ary mitodika amin’i Jehovah. Hesorina avokoa izay mampalahelo an’i Jehovah, ka manao izay mahafaly AZY, satria rehefa faly aminao Jehovah dia hatobany sy omeny anao izay rehetra mahasoa anao. Raha izay hita eto dia ny famerenana ny Zanak’Isiraely ho amin’ny tanindrazana na fahaleovantena na fahafahana. Izy ireo saiky hatao hena harotsaka anaty vilany no omeny fahafahana ka hahita ny voninahitry ny Tompo Tsitoha. Izay tsy nandray ny Fanahy Masina no hena nirotsaka tao anaty vilany.
2- Mampifankatia.
Efa hitantsika omaly Pentekosta, fa ny Fanahy Masina dia nampiray ny Jiosy samy Jiosy izay nielipatrana tany amin’ny firenena samihafa (Asa 2). Tsy nijanona teo amin’ny Jiosy ihany, fa nivelatra tamin’ny Jentilisa, ka isan’izany Kornelio (Asa 10). Marina arabakiteny ny hoe : “Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.”(Ezek 11¹⁹-²⁰). Manamfy izany ny Ezek 36²⁶-²⁷. Sady tafaray ny olombelina samy olombelina, no tafaray amin’i Jehovah Andriamanitra koa ny olombelina.
HAFATRA : raiso ny Fanahy Masina. Tanteraho ny sitrapon’ny Tompo, mifankatiava.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

Source