Mofonaina 28 Mars 2023: Jao 7/14-24
.Jesoa IRAKA dia
1-tsy Tompon’ny fampianarana. Gaga ny olona satria tsy nianatra Jesoa. Ahitsiny eto fa tsy Tompon’ny fampianarana IZY. IRAKA IZY, ka izay asaina ampitainy no ampitainy. Izay tena zanak’Andriamanitra no hany hahafantatra na avy amin’i Jehovah izany na tsia
Fampianarana antsika izany, fa raha mampita ny hevitsika isika dia tsy irak’i Jehovah Tompon’ny maro.
2-tsy mitady afa-tsy ny voninahitra ny Mpaniraka. Ny IRAKA dia azo adika hoe= ambasadaoro. Ny ambasadaoro dia tsy mikatsaka afa-tsy ny voninahitra ny firenena nihaviany. Koa satria tsy ambasadaoron’ny tany IZY, fa AMBASADAORON’NY LANITRA. Noho izany, ny voninahitra ny LANITRA no tsy maintsy katsahiny.
Raha mandeha mitory isika, dia tsarovy ny teny hoe: “Koa dia iraka solon’i Kristy izahay,…”(IIKor 5/20). Izay fiainany no tsy maintsy hiainantsika, izay safidiny no tsy maintsy tanterahantsika.
3-nanasitrana tamin’ny sabata. Vakio Jao 5/5-10, ahitana ilay lehilahy nositraniny tamin’ny sabata. Tsy nahafaly ny Jiosy izany, satria heveriny fa mpandika lalàna Jesoa. Manazava tsara Jesoa eto Jao 7/23 fa marina no nataony. Tsarao araka ny marina IZY, fa aza mitsara mivilana.
Raha hanaraka an’i Jesoa isika dia tsy maintsy hiharan’ny fitsaran’ny tany. Na izany aza, aza kivy na ketraka, fa mijoroa. Homba anao hatrany IZY.
Alao hery ary, fa iraka solon’i Kristy isika. Mahereza sy mahatanjaha.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires