Mofonaina 28 Jolay 2023: 1Sam 10¹⁷-²⁷
Ny fanendrena izay ho mpanjaka hitarika ny Firenen’ny Isiraely no fototry ny modonaina anio. Ao amin’ny toko.8 no nangatahan’izy mpanjaka mba ho tahaka ny firenena rehetra. Raha misy mpanjaka dia efa voalaza ao izay fitondrana azy sy izay hiatra amin’ny taranaka. Noho ny fanirian’izy ireo tsy azo nolavina dia ny fifidianana mpanjaka no eto.
1-Fombam-pfidianana.
And.20: nampanatona ny rehetra ka Bebjamina izay faralahy no voafidy. Matrita indray no voafidy tamin’i Bebjamina. Tonga dia Saoly no voalaza manaraka. Fa Nera no raini’Kisy sy Abnera, Abiela rain’i Abnera (1Sam 14⁵¹). Toy izao izany raha fintinina ny tetiharana momba an’i Saoly: Jakoba-Benjamina-Matrita-Abiela-Abnera-Kisy-Saoly. Ireo no hitako, fa raha misy tsy ao dia manao azafady.
Ity fifidianana an’i Saoly ity dia nambaran’i Jehovah mialoha tamin’i Samoela, fa ho avy ao aminy i Saoly sy ny naman’ny izay nitady ny borikin’ny rainy izay very (1Sam 9¹⁵-²⁰)
Tsy fombafomba fotsiny no sisa natao, fa ny fahitana no efa tonga taloha tao amin’ny mpahita dia Samoela izany.
2-Ny ambany noho ny ambany no voafidy.
Hoy Saoly ao amin’ny 1Sam 9²¹: “Tsy Benjamita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny firenen’Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ny mpianakavin’ny firenen’i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?”
1Sam 10¹-¹²: Na dia nihevitra izany aza i Saoly dia nanosotra azy ho mpanjaka i Samoela, izay arahan’ny famantarana maro hiseho eo anoloany:
-olona hilaza fa hita ny boriky, fa ianao indray no tadiavina
-olona telo lahy, hanolotra mofo roa, ka ho raisin’i Saoly.
-mpaminany iray dia, ka haminany koa Saoly noho ny Fanahin’i Jehovah hilatsaka aminy.
Ry havana,
Izany no fomban’i Jehovah. Na dia misy ihany aza endrika ivelany sy halavana (1Sam 9², 10²³), dia ny voa sy ny fo no sarobidy (Jer 17¹⁰). Koa raha voafidy ianao, aza mihevitra zavatra hafa mihoatra ny sitrapony. Izy no antoka, matokia
Ho an’i Jehovah irery ny voninahitraFahazavana Rand AntokaFahazavana Rand Antoka

Source