Mofonaina 27 Mars 2023: IISam 12/7-15
Dia hoy Davida tamin’i Natana: Efa nanota tamin’i Jehovah aho. Ary hoy kosa Natana tamin’i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Tena manampahendrena Jehovah raha naniraka an’i Natana hananatra an’i Davida. Nahoana? Satria tamin’ny endrika tsy mivantana sady tsy azo iadian-kevitra no nanaovany izany araka ny 12/1-6.
Davida nandray ny anatra dia nihaika avy hatrany fa diso, ka Tonga dia nibebaka araka ny 12/13: Dia hoy Davida tamin’i Natana: Efa nanota tamin’i Jehovah aho. Tsy tamin’ny Oria Hetita, na dia novonoina aza io lehilahy io, fa ota tamin’i Jehovah Tompon’ny maro, IZAY Tompon’izao rehetra izao, araka ny Sal 24/1.
Izay hany andrasan’i Jehovah Andriamanitra amintsika dia ny hiaiky. Tsy misy miafina amin’i Jehovah ny zavatra rehetra, satria sady mahay ny zavatra rehetra IZY no manatrika amin’ny toerana rehetra. Tsy hoe hitantarana na ampitana vao hahafantatra. Efa fantany koa ny ao ampon’ny olona tsirairay, satria Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa IZY (Jer 17/10). Koa rahefa mibebaka ianao, tahaka an’i Davida, dia omeny anao ny fanamarinana. 12/13b: Ary hoy kosa Natana tamin’i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. Koa mibebaha mba hamerenana antsika ho amin’ny fahamarinana.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source