Mofonaina 27 Jona 2023: Mar 9¹⁴-²⁹
Ny nahasitranan’i Jesoa zazalahy azom-panahy moana sy marenina no eto. Ny hevi-dehibe misongadina, ankoatry ny fanasitranana, dia ny fananarana sy fanitsiana: na ny rain’ilay zaza na ny mpianatra
1-fanitsiana ny rain’ilay zazalahy.
Ny and.18 dia misy fanomezantsiny nataony tamin’ny mpianatra. Tsy ny finoan’ny mpianatra ihany no hahatanteraka ny fanasitranana, fa ny an’ny rain’ilay zazalahy ihany koa. Taorian’ny fanekeny ny fahadisoany, dia nositranin’i Jesoa ny zanany. Inona no fahadisoany? Tsy nino. Koa rehefa niaiky izy fa mila famonjena amin’ny tsy finoan’ny (and.24), dia nanasitrana Jesoa. Mitaky sy mila ny finoan’ny manana.marary ny fanasitranana. Rehefa miaiky isika: “mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay” (and.22), dia mandray ny andraikiny Jesoa.
2-fanitsiana ny mpianatra.
Miaiky ny mpianatra fa tsy nahavoaka ny fanahy ratsy. Dia hoy Jesoa: ” Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana* ihany.” (and.29) Jesoa avy any amin’ny fiovan-tarehy tany antendrombohitra no eo alohan’izao fanasitranana izao. Manambara ny fitokanana sy fifamatorana lalina amin’ny Ray izany. Tena feno vavaka sy fifadiankanina IZY. Koa raha hiasa sy hamoaka demonia, kanefa tsy ampy vavaka sy fifadiankanina, dia aza miasa aloha. Vavaka sy fifadiankanina vao asa. Tsy ny asan’ny mpianatra no lehibe, fa ny asan’ny Ray. Fitaovana fotsiny isika.
Ry havana,
Foano ny fifanomezan-tsiny. Andao hifampitantana hampandroso sy hampiorina ny finoana an’i Jesoa hahalavorary ny soa sy ny tsara. Ekeo ny tenin’i Jesoa hoe: “…fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka” (Lio 18¹). Manaova vavaka sy fifadiankanina na miaraka na ho anao irery fa mahasoa izany.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires