Mofonaina 26 May 2023: 1Kor.6⁹-¹¹
Ny teny “efa” dia milaza zavatra lasa sy tanteraka. Ohatra: efa nody ny zanaka adala. Raha mamaky tsara ny mofonaina ianao dia mahita “efa” efatra. Ao ny ratsy, fa ao koa ny tsara.
1-EFA RATSY. And.11a: “Ary EFA mba toy izany ihany ny sasany aminareo…” Tanisaina eo aloha ireo karazam-pahohatana sy faharatsiana efa natao ka tsy handovana ny fanjakan’Andriamanitra. Ampahany amin’ny ota ireo, fa maro dia maro izay “efa ratsy” nataontsika. Raha izany, tena very isika. Soa misy “efa tena tsara”
2-EFA TSARA, EFA TENA TSARA. Misy telo IZY ireto:
2.1-EFA VOASASA: efa nodiovin’i Jesoa Kristy tamin’ny rany. Io no antony nanaovany sorona ny tenany teo amin’ny hazofijaliana. Voadio ianao, raha mino.
2.2-EFA NOHAMASININA. Efa nomena hosotra, efa voatokana. Ny Fanahy Masina no nanosotra antsika, nanokana antsika. An’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy isika. Noho izany, tsy mifampiraharaha amin’ny fanahin’ny devoly intsony. Voatokana ho AZY isika.
2.3-EFA NOHAMARININA. Tsy marina aho, tsy marina ianao. Taranaky ny tsy madio isika, noho izany tsy misy madio (Job.14⁴). Izany loto sy ota izany no mahameloka antsika. Fa noho ny ran’i Jesoa Kristy, raha mino isika, dia nohamarinina (Rom.3²¹-²⁶). Meloka ny hazo, fa manitsy ny mpandrafitra. Na mahitsy aza ny vy, tsy azo ampiasaina raha tsy nandalo tao amin’ny tourneur. Tsy marina mihitsy isika, fa nohamarinina ny mino AZY.
HAFATRA : Vakio 2Kor.5¹⁷: “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.” Ray efa ratsy isika, Ray efa voasasa, efa nohamasinina, efa nohamarinina, andeha hisaotra sy hidera AZY, andeha hitory ny fanavotana sy famonjena amin’ny hafa.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Source
0 Commentaires