Mofonaina 26 Jolay 2023: Lio 6¹²-¹⁶
Ny fifidianana ny Apostoly 12 no fototry ny mofonaina anio. Izany dia tsy azo nataotao foana fa tsy maintsy nialohavan’ny vavaka ary niafara tamin’ny fanokanana.
1-VAVAKA.
“…ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy.” (abd.12)
Raha fifidianana tsy misy vavaka dia asan’ny devoly. Ny vavaka no fototra ary vavaka mandritra ny alina. Nahoana?
Tsy asan’i Jesoa, amin’ny maha-olona AZY, no ataony. Tsy azo adinoina fa IRAKA IZY. Noho izany, tsy maintsy mifampidinika amin’ny Mpaniraka, Jehovah Ray Tsitoha.
Diniho sy alalino ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny roa tonta. Ahoana no hifidianana an’i Petera izay handà in-3 ho tsy mahalala AZY rehefa eo amin’ny fotoan-tsarotra? (Lio 22³⁴) Ahoana Jakoba sy Jaona izay tsy mihevitra afa-tsy ny tombotsoany? (Mar 10³⁵-³⁷). Ahoana no mbola hifidianana an’i Jodasy Iskariota mpamadika? (abd.12)…sns…
Rehefa nifampidinika mandritra ny alina anefa dia tsy maintsy nanaiky. Izany no valim-bavaka. Nanaiky ny IRAKA, ka hanokana.
2-FANOKANANA.
Ny fifidianana tsy maintsy miafara amin’ny fanokanana. And.13: “…izay nataony hoe Apostoly”. Navahana tamin’ny mpianatra rehetra izy 12. Nataony hoe Apostoly, izany hoe natokana ho amin’izay maha-iraka azy ireo. Apostoly= iraka, envoyé, embassadeur, député. Mbola tao koa ny fanendrena ho amin’ny andraikitra manokana: Petera no filohan’ny Apostoly sy ny mpianatra, Jodasy Iskariota no mpitahiry vola.
Efa hitany sy fantatra fa tsy tanteraka izy ireo, kanefa tsy maintsy nametrahana tànana sy nangatahana mba hirotsahan’ny Fanahy Masina hitari-dàlana, hananatra, hanova, hampahery, hanintsy azy ireo ho amin’ny marina. Efa Fantatr’i Jesoa ny rehetra, fantany Jodasy. Nofidiana mihitsy, sao hiala amin’ny ota ka hiverina amin’ny MARINA.
Ry havana,
Tsy latsaka noho izany isika. Miantso antsika voafidy IZY hibebabaka. Ekeo ny antsony, dia hitafy ny voninahiny ianao.
Ho an’Adriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires